Antsirabe : Tambazotram-behivavy mpanao « porno » voasambotra

Miisa valo ireto vehivavy voasambotra ireto izay misehatra amin’ny asa mamoafady ka ny iray tamin’izy ireo no mbola tsy ampy taona. Voasambotra ihany koa ny ramatoa iray izay voalaza fa tao ambadik’izany asa izany ary anisan’ny manakarama ireto vehivavy ireto. Tra-tehaky ny zandary tao Mahazoarivo Antsirabe, teo « am-panaovana » ny asa ratsiny mihitsy moa izy ireo, ny harivan’ny talata lasa teo. Faneràna vehivavy hivaro-tena, fanodidinana horonan-tsary mamoafady, fanandevozana olona an-kolaka, fivarotan-tena amin’ny alalan’ny aterineto, fahavetavetana imasom-bahoaka … Anisan’ireo vesatra hanenjehana ireto vehivavy ireto, niaraka tamin’ity ramatoa mpampiasa azy ity izany, raha ny voalazan’ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena. Raha ny fampitam-baovao azo hatrany dia ilay ramatoa no manangona ireo vehivavy ireo, indrindra fa ireo tsy ampy taona , hiasa hivaro-tena amin’ny alalan’ny aterineto. Asaina miboridana eo anoloana solosaina izy ireo ary mampiasa fitaovana na irony kilalaon’olon-dehibe irony fantatra amin’ny anarana hoe « sextoys ». Tonga teny am-poto-tsofin’ny zandary ny fisian’io tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra tao ka nidinana avy hatrany tany amin’ny trano, izay efa fantatra ho nisian’izany. Tovovavy miisa valo, mbola miboridana tanteraka sy « milalao » no hitan’ireo mpitandro filaminana eo amin’ny solosainy avy. Nentina natao fanadihadiana avy hatrany moa izy ireo, izay voalaza fa misy tsy ampy taona iray. Rehefa natao ny famotorana dia fantatra ramatoa iray no tompon’ny ketrika. Natao ny velam-pandrika ka tsy ela dia voasambotra ity farany. « Notanana natao andrimaso avokoa izy ireo, nogiazana ireo solosaina finday (ordi portable) miisa 10 ary ireo fitaovana mamoafady fampiasan’izy ireo » hoy hatrany ny vaovao. « Mirongatra ankehitriny ny asa fanararaotana ara-nofo mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona. Ny endrik’asa mamoafady toa izao sarona izao no antony iray mahatonga ny filandratsin’ireo tsy matahody indrindra fa amin’izao fotoana mampiroborobo ny teknôlojia izao. Koa mba hiadiana amin’izany dia sahia mijoro, sahia mitoroka » hoy hatrany ny antso avo ataon’ireo mpitandro filaminana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.