Ambatomirahavavy : Afaka ireo voarohirohy nanolana

Herintaona taty aoriana, satria ny aprily 2019 no nitranga ilay heloka bevava, dia nisy ny didim-pitsarana nanome fahafahana ny telo tamin’ireo olona efatra izay voarohirohy ho tompon’antoka. Nanao fanafihana izy ireo, raha tsiahivina kely, ary narahiny fanolanana izany. Tsy iza fa ny vady aman-janaky ny pasitera iray izay monina ao an-toerana no niharan’izany asaratsy izany. Ny herinandro lasa teo izy ireo no nanomboka afaka niriaria sy niverina tany amin’ny an-tokantranony avy. Niteraka resa-be ity fanapahan-kevitra ity teo amin’ny fiarahamonina, indrindra koa raha vao haingana no nisy ny baiko avy amin’ny minisitera tomponandraikitra ny amin’ny hamonjana tsy misy fepetra ireo izay voarohirohy ary koa ny hampanaovana asa an-terivozona azy ireo eo imasom-bahoaka. Tezitra tanteraka ny fianakavian’ny niharan’ny asaratsy manoloana ny zava-misy ary nilaza izy ireo fa tsy rariny ilay didy. Ilay pasitera, nanomboka tamin’ny fotoana nitrangan’ny fanafihana sy fanolanana ny ankohonany dia narary ary mbola manohy fitsaboana hatramin’izao. Manahy mafy izy sy ny vady aman-janany fa nisy kolikoly nandeha indray tamin’ity raharaha ity. Nilaza mantsy izy ireo fa ampy tanteraka ny porofo izay natolotra ny fitsaràna ary feno ny fepetra ny amin’ny tokony hanomezana sazy hentitra ho an’ireo izay tompon’andraikitra kanefa dia ny mifanohitra amin’izany indray no miseho ankehitriny. Misy ny firaisamonim-pirenena izay manaraka akaiky ity raharaha ity ary efa nisy sahy nivoaka tamin’ny fahanginana aza ka nilaza fa mifanohitra amin’ny lalan-tsaina izay voizina amin’izao fotoana ny didy toa izao.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Hoy ny fanontaniana hoe : inona Mopera no mba mety ho odim baratra ? ny aza voany ihany
    zanako hoy ny valiteny .Ny fitsarana dia tsy misy tsy mahala ,fa rehefa mahitahita sy be clé dia mandeha ho azy io Ramose a .Mbola ho ela ary tena mbola ho ela ,fa hisy izany marina tompoko .

  2. Efa nolazaiko foa fa ireo mpitsara ireo no tena fositra amin’ny fiainan’ny malagasy.
    Ny tsolotra no tena raiki-tapisaka any anatin’ny rà n’izy ireny ka mbola azo atao daholo na ny tsy eken’ny fiaraha-monina aza.
    Fanontaniana , nahoana no miroborobo daholo ny fiainan’ny KARANA eto Madagasikara ????
    Nahoana no manan-karena daholo ny KARANA sy ny MAGISTRAT ????

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.