Antanifotsy : Olon-dratsy nidaroka zandary, maty voatifitra

Mba sahy zavatra ! Nanararaotra ilay zandary niambina azy, sendra variana tamin’ny fanamboarana ny môtô nentin’izy ireo ity olon-dratsy iray nosamborina ka niezaka ny nidaroka azy tamin’ny vato ary nitsoaka. Namono biby tsy nahafaty anefa ka nifoteran’ny rambony. Tao Ambohitompoina, distrikan’Antanifotsy, ny faran’ny herinandro teo. Dahalo rain-dahiny, voarohirohy tamin’ny karazana halatra maro no voasambotry ny fokonolona tao amin’ny fokontany Ambohijafy. Raha ny fampitam-baovao azo dia toa hoe efa ela no nikarohana azy io saingy izao vao tratra. Nentina natolotra ny zandary tao an-toerana avy hatrany ity farany. Amin’ny toe-javatra tahak’izao, mba hiarovana amin’ny mety ho fiovan-kevitr’ireo fokonolona, izay mety hiafara amin’ny fitsaram-bahaoaka dia nentina niakatra haingana hamonjy ny renivohitry ny distrika ny lehilahy. Hiaraha-mahalala anefa fa somary saro-dàlana raha iny kaominina Ambohitompoina iny ary kodiaran-droa no tena miasa. Zandary maromaro araka izany no nitondra ity olon-dratsy ity hihazo an’Antanifotsy saingy tsy maintsy mandeha tsiroaroa amin’ny môtô moa. Somary lasa lavidavitra talohan’iretsy namany ny zandary iray niaraka tamin’ilay olon-dratsy. Tojo fahasimbana anefa io môtô io teo Ambohikely, Ambodiharana, kaominina Anjamanga ka voatery nidina izy ireo ary nanamboatra izany ilay zandary. Nanararaotra io fotoana fohy nahavariana ilay mpitandro filaminana tamin’ny môtô-ny io ilay olon-dratsy ka naka vato ary niezaka nidaroka ny lohany ary lasa nitsoaka. Soa ihany, hoy ny fampitam-baovao fa nanao aroloha ity zandary ity ka mba tsy naninona. Aroloha izay potika tanteraka moa noho ny dona nahazo. Teo ho no eo ihany dia raikitra ny fifanenjehana ity olon-dratsy. Voatery nampiasa ny fitaovam-piadiana teny aminy mihitsy moa ireo zandary, rehefa nanao tifitra fampitandremana im-betsaka ihany ireo mpanenjika kanefa tsy mety nijanona ilay noenjehana. Voan’ny balan’ny zandary moa ity farany ary maty tsy tra-drano. Tapitra hatreo araka izany ny fanaovany ny asa ratsiny izay nampitondrany ny mangidy tamin’ireo mponina tany amin’iny faritra iny. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana ataon’ireo tompon’andraikitra amin’izany any an-toerana. Heverina mantsy fa tsy maintsy misy namany miriaria any.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.