Lalaon’ny Barea ao Toamasina : Mpitandro ny filaminana 600 no hisahana ny tanàna anio

Nanetsika zandary – polisy – miaramila 600 eo no fanjakana amin’ny lalao miverin’ny ekipan’ny “Barea’i Madagasikara” sy ny “Elefantan’i Cote d’Ivoire” eo amin’ny lalao fiandian-toeran’ny CAN 2021 any Cameroun. Nanafatra tamin’ny fampitam-baovao nataony mantsy ny CAF fa tsy maintsy manao izay iarovana ny mpilalao sy ny delegasionina ofisialy rehetra ny Malagasy, sy amin’ny fiarovana azy ireo amin’ny valanaretina Covid-19 izay nadraisana ny lalao tsy misy mpijery na ny lalao mandroso na ny lalao miverina. Efa vonona ny mpitandro ny filaminana rehetra hoy ny Kly Rabemanantsoa, ka ho tapaka ny lalana eo amin’ny “Somalaval” Mangarano sy ny fiangonana Md Paoly Mangarivotra ny talata manontolo ny andro izao. Ireo olona afaka miditra ny kianja rehetra koa anefa dia tsy maintsy manao ny arotava sy manaja ny sakana rehetra lalam-pahasalamana momba ny Covid-19. Ankoatra izay dia ny sabotsy tolakandro teo tamin’ny 4 ora no tonga teto Toamasina ny Barean’i Madagasakara rehefa avy tany Cote d’Ivoire nihatrika ny lalao mandroso, izay naharesy antsika Malagasy 1 no ho 2. Tonga maro ireo olona nitsena azy ary nanao “carnaval” mihitsy nanatitra ireto ekipan’ny Barea ireto teny amin’ny trano fandraisam-bahiny “Calypso” misy azy ireo. Efa vonona tanteraka ny kaominin’i Toamasina handray ity lalao iraisam-pirenena aty afrika eo amin’ny Barea sy ny Elefanta ity, koa na tsy azo jerena aza ny lalao dia efa nanomana “ecran géant” ny kaominina hijera izany ny talata izao. Ao ny eo amin’ny toerana malalaky ny kaominina, ny eny amin’ny kianja Lemalady Ambohijafy, ary ny eo amin’ny kianja lisea teknika Tanambao V.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.