CUToamasina : Polisy monisipaly vaovao miisa 37

Navoaka teo ambany faneva ireo polisy monisipaly andiany “Magneva” ny talata 24 novambra. Miisa 37 mianadahy izy ireo. 45 andro no niofana ireto polisy monisipaly ireto, ka 15 andro in-3 ny fiofanana ho azy ireo, izay avy amin’ny polisy nasionaly Toamasina ny mpampiofana azy ireo. “Entanina hanao ny asanareo antsakany sy andavany ianareo polisin’ny kaominina vaovao ireto. Betsaka ny andraikitrareo, indrindra fa amin’ny fampanarahan-dalàna ny olona sy ny fampidiran-ketra eo anivon’ny kaominina, ka ataovy am-pahamarinana izany mba ho tombontsoan’ny daholo be”, hoy ny ben’ny tanàna.

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.