Nanolana zaza roa taona : Voasambotra rehefa nifampitadiavana

Natao savahao toa an-tanànan’i Toliara ilay lehilahy tompon’antoka tamin’ny fanolanana izay niteraka fahafatesan’ny zazavavikely roa taona tao an-toerana. Tao Andabizy izy no voasambotry ny mpitandro ny filaminana rehefa nandeha ny fanangonam-baovao rehetra ny amin’izay mety ho niereny. Voasambotra ary niaiky ny heloka vitany rehefa nandeha ny fakàna am-bavany. Fanolanana sy vono olona izany no anenjehana azy avy hatrany. Heloka izay mety hitarika amin’ny sazy faran’izay mafy, indrindra taorian’ireny fanambaràna maro isan-karazany avy amin’ny olom-panjakana sy ny firaisamonim-pirenena fa tsy handeferana mihitsy ny mpanolana. Azo eritreretina ny hizoran’ny fanovàna ny lalàna momba ny fanolanana ho an’ny sazy mafy indrindra dia ny fanagadràna mandra-pahafaty izany. Raha ny tsikaritra mantsy tato ho ato dia niombom-peo hatrany ary nitovy fijery ny rafitra mpanatanteraka sy ny rafitra mpifidy lalàna raha vao io lafiny io no noresahina. Etsy andaniny koa ny firaisamonim-pirenena izay tsy mitsahatra misintona lakolosy manoloana ny firongatr’ity trangam-piaraha-monina izay tena mampivarahontsana ity. Ny antony hahazoan’izany vahana indray dia tsy voafaritra mazava, satria miovaova araka ny tranga. Ny azo tsoahina ao anatin’izany rehetra izany dia ny tokony haha-hentitra bebe kokoa ny ray aman-dreny, satria ankehitriny dia azo raisina ho ambana avokoa ny didina iainan’ny ankizy. Ny faran’ny kely indrindra dia ny tsy famelàna mihitsy ny zaza amin’ny olona tsy atokisana. Ny zavatra tsara indray dia lasa tsy misalasala intsony ny olona mitory rehefa misy ny tranga fanolànana. Matetika mantsy teo aloha, lasa kobonina ny zava-misy noho ny henatra amin’ny fiaraha-monina.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.