Vontovorona : Mpangalatra nifanejehana matin’ny hasemporany

Hafa indray ity nitranga teny amin’ny Polytechnique Vontovorona ny alin’ny sabotsy hifoha alahady ity. Lehilahy iray voalaza fa saika hangalatra ka voasambotry ny mpianatra no maty ho azy teo am-patorana fotoana fohy taaorian’ny nahazoana azy. Arakan y fanazavana azo avy amin’ny mpitandro ny filaminana dia tamin’ny 12 ora alina no saika hamoha tranon’ny mpianata teny an-toerana ity lehilahy ity. Tsikaritr’ireo mpiantra efa manao fiambenana isaky ny faran’ny herinandro izany ka niezaka nisambotra azy ireto farany. Tafaporitsaka anefa izy ka nanomboka teo dia nifanejehana eraky ny tokotanin’ity oniversitea ity. Tratra ihany anefa izy tokony ho tany amin’ny 2 ora maraina tany ho any. Rehefa izany dia nofatoran’ireo mpianatra natao tanana ivoho izy mialoha ny hanolorana azy amin’ny zandary izay efa nantsoina. Akory anefa ny hagagan’ireto farany raha nigadona teny an-toerana, fotoana fohy taaorian’ny antso, fa olona efa maty no novantanin’izy ireo. Ny fanadihadiana natao tamin’ireo mpisambotra no nahalalana fa nitaraina ho sempotra hono ity lehilahy ity nialoha ny nahafaty azy. Rehefa nozahan’ny dokotera dia tsy nahitana ratra na vono akory ny tenany. Noho izany, mihevitra ny mpitsabo fa mety ho fijanonan’ny fo tampoka no nitarika ny fahafatesany. Tsy nahitana taratasy mety hahafantarana ny momba azy moa teny aminy. Ity farany izay tombanana ho manodidina ny 30 taona eo izy.

T.M.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.