Antsirabe : Toaka gasy 600 liatra nafenina tao ambany gonin-tsaribao

Toaka 600 litatra anaty « bidons » 30 no saron’ny « Brigade Sécurité routière Antsirabe » ny alahadylasa teo. Natao tao anaty fiara Sprinter ary nosaromana gonin-tsaribao ireo toaka ireo. Avy any amin’ny distrikan’i Fandriana ireto toaka mbola voarara ireto ary kasaina hoentina aty Antananarivo izao sarona izao. Nogiazana avy hatrany ireo toaka ary miandry ny didim-pitsarana handorana azy imasom-bahoaka. Araka ny fanazavan’ny zandary dia mandoa lamandy ny tompon’ny toaka, nampidirina « fourrière » kosa ilay fiara nitondra azy. « Tsara ny mampahafantatra fa mbola tsy foana ny lalàna manenjika ny toaka voarara ary tsy mbola misy ny lalàna mamela ny famokarana, fivarotana, fitaterana azy io. », hoy ny zandarimaria. Araka izany, mbola azo sokajiana ho fandikan-dalàna ny fitondrana toaka gasy mandehandeha, sy amidy ao anatin’ny tsy ara-dalàna. Mbola samy miandry ny fankatoavana ny lalàna eny amin’ny antenimieram-pirenena ny rehetra, vao samy faly amin’ny fahalalahan’ny fivarotana toaka gasy.

Yv

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Tena tsy miady kosa izany e ,ela loatra ny famoahana ilay lalàna ,nefa momba ny vola dia telo andro dia lany ,koa rahoviana izany vao ho laniana ilay lalàna momba ny gasilahy ,izao ankatoky ny fety izao no ialn’ny olona azy ,satria io sisa no mora vidy hono hoe .
    Lasa haingo diso an Iarivo ilay izy koa ,vita fety vao hivoaka .

  2. F’angaha tsy efa lany teny amin’ny antenimieram-pirenena ny légalisation ny toaka gasy é ?
    koa nahoana no misy fisamborana indray ? Tsy dia ampy loatra izany fampitam-baovao izany an ! hazavao ny olona ry zalahy fa manjary mampijabaka ny tsy manan-tsiny an !

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.