Ankorondrano : Lozam-pifamoivoizana niafara tamin’ny sakoroka

Nitambaran’ireo olona voadona ity mpamily fiara nahavanon-doza, hany ka lasa izy indray no naratra mafy. Tranga niseho tetsy Ankorondrano, ny harivan’ny sabotsy teo. Nalalaka tsara ny lalana tamin’io fotoana io ary nanararaotra izany avokoa ireo mpampiasa lalana rehetra. Fidobohana mafy tokoa anefa no nanaitra ireo mpampiasa lalana tamin’iny lalan’Ankorondrano, mizotra ho any Antanimena iny, ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny enina ora hariva tany ho any. Nisy faritra natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ho fiampitàna arabe teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza. Nijanona mba hanomena lalana ireo olona niampita ilay fiara tsy mataho-dalana voalohany. Nanaraka izay ihany koa avy ato aoriana, ny môtô « routière » iray, notaingenan’olona roa. Tampoka teo, tsy fantatra anefa izay nahazo ity mpamily an’ilay fiara fahatelo, marika « Renault Express » fa nirimorimo fatratra tokoa ary tsy nihevitra akory izay hampiadana ny hafainganam-pandeha na hanindry ny hisatra teo anatrehan’izay, hany ka tsy tana ny loza. Voatrongy ilay môtô ary nidona tamin’ilay fiara teo aloha, namotika tanteraka ny vodin’ity fiara ity ary namaky ny kodiarany. Soa ihany fa  nahay niala ireo olona roa teo ambony môtô ka mba tsy naninona, eny fa na dia mafy ihany aza ny fianjerana. Ny kodiaran-droa nentin’izy ireo no potika tanteraka. Ilay fiara nandona ihany koa tetsy andanin’izay, nahitàna fahasimbana ny lohany iray manontolo iny. Tsy vita teo anefa ny tantara ary efa nanomboka niha-nitangorona ny olona, niha-nitohana tsy nisy ohatr’izany ihany koa ny fifamoivoizana, na ny avy ery andaniny na ny teo ankilany. Rehefa nitsangana tao anatin’ny fianjerany ireo roa lahy nitaingina an’ilay môtô dia nivatratra nanatona ilay mpamily an’ilay fiara nandona azy ireo. Romotry ny hatezerana ka tsy vitan’ny fampiakarana feo intsony fa nitefotefoka ny totohondry sy ny daka. Na teny amin’ny fiara na teny amin’ny tarehin’ilay mpamily. Nambaran’izy ireo tamin’izany moa fa hoe «saika hamono olona, mbola bevava no sady mamo ity rangahy mpamily ity  ». Nivoaka ny fiara ny lehilahy ary mbola niharan’ny daroka sy ny vono tamin’ireto olona niharan-doza. Nifamadika ambony ambany indray ny trangan-javatra teto satria ilay mpamily fiara nandona môtô indray teo no naratra mafy, nivoa-drà sy rava tarehy tanteraka, noho iretsy nianjera tetsy ambony môtô voadonan’ny fiara. Taorian’izay moa no tonga nandamina teny an-toerana ary nijery ifotony ny zava-nisy tao anatin’izany ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire