Foutsie Tsosy : Hotsaraina koa ireo nizara ny fanehoan-keviny

Tokony anio fa kosa niova ny fandaharam-potoana ary nahemotra amin’ny alatsinainy ny fanolorana ny Fampanoavana ireo olona telo izay notorian’ny fanjakana malagasy rehefa nohenjehina tamin’ny fehezan-dalànan’ny « cybercriminalité ». Fanaparitahana vaovao tsy marina avy amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy facebook no nanenjehana an’i Sylvia Randriantsotsy na Foutsie Tsotsy amin’ny facebook. Izany dia mahakasika ny fanehoan-keviny mahakasika ny hetsika nahavory vahoaka izay nataon’ny Governera iray tamin’ny oktobra 2020 kanefa mbola tao anatin’ny vanim-potoanan’ny hamehana, raha araka ny fanazavan’ny voakasika. Teo no nampitroatra an’i Foutsie Tsosy izay naneho ny heviny ary nanameloka izany. Roa volana mahery taty aoriana dia tonga ny taratasy fampiantsoana ny voakasika mba hohadihadiana eo anivon’ny sampana miady amin’ny heloka izay mandeha amin’ny aterineto noho ny antony izay efa voalaza etsy ambony. Natao ny fanadihadiana azy ny alatsinainy teo. Torak’izany koa ireo olona roa izay nizara ny fanehoan-kevitny. Mitovy koa ny vesatra nanenjehana ireo olona rehetra izay voakasik’ity raharaha ity. Tena mety amintsika ve ny endrik’ity lalàna momba ny « cybercriminalité » ity ?

Kaonty fako. Any ivelany mantsy dia miompana bebe kokoa amin’ny fanenjehana ireo mpisoloky sy mpamono olona na mpaka an-keriny avy amin’ny alàlan’ny tambajotra sosialy no tena iandraiketan’io sampana io. Eto amintsika indray, raha ny tsikaritra tao anatin’ny fitondràna roa nifandimby izay, dia mizotra any amin’ny fanenjehana izay maneho hevitra ka manelingelina, indrindra fa raha vao mpitondra ambony no voaresaka. Etsy ankilan’izany, tsikaritra fa lasa mizàna tsindrian’ila ny fomba fiasan’ny sampana miandraikitra izany. Rehefa ny manam-pahefana no voakitika dia haingana be dia hita ny tomponantoka. Raha olon-tsotra kosa, indrindra fa tsy mitovy fijery politika, dia tsy lasa lavitra ny fanadihadiana. Tsy vitan’izany aza fa lasa fitaovana entina hamotehana olona ny tambajotra sosialy ankehitriny. Fantatra ny fisian’ny mpanao « kaonty fako » izay misy manakarama ary efa betsaka rahateo ny fitoriana momba izany. Noho ny fahatahorana ny fahefana eo am-pelan-tànan’ny mpanakarama azy ireo anefa dia tsy lasa lavitra mihitsy ny fanadihadiana fa mijanona hoazy eny fotsiny. Betsaka ny olona izay potehina avy amin’ny alàlan’ny fanaratsiana ataon’ny kaonty fako ary miandry fotoana fotsiny izy ireo. Midika izany rehetra izany fa mainka mitarika any amin’ny fifandranitana ity fampiasana amin’ny tsy tokony ho izy sy ny tombontsoa politika ny tambajotra sosialy ity. Sao mba fotoana izao tokony hanovana ny lalàna ? Tsy misy manana tombontsoa ankoatra ny manam-pahefana mantsy hatreto raha tena zohina ny ankamaroan’ny andininy ao anatin’ity lalàna manan-kery ity…

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. D’accord; Tohanako 100% ity lahatsoratra ity,

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.