RN7 : Mpanakan-dàlana tratra am-bodiomby

Lehilahy iray no voasambotry ny zandary teo Vinaninkarena, ny alin’ny alahady lasa teo, raha nikasa hanatanteraka asa ratsy : fanakanan-dàlana tamin’iny lalam-pirenena fahafito iny. Araka ny fampitam-baovao nomen’ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenana dia tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina tany ho any, ny alahady teo no nisy nampandre ny zandary miasa teo Vinaninkarena fa misy mametraka sakana ny lalana, eo Andohanakoho, fokontany Ankarinomby. Vato marobe sy ratsan-kaza no nataon’ireo olon-dratsy hisakanana izay fiara sendra mandalo amin’izany lalana izany. Nidina avy hatrany teny an-toerana ireo mpitandro filaminana ary niezaka nanao savahao ny manodidina, nony tonga teo amin’ilay toerana voalaza. Lehilahy iray no hita, niezaka niafina tao anaty tatatra, niaraka tamin’ny kibay lava, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Namitsaka tsara tsy lavitra ireo sakana nataony ingahirainy, miandry fotsiny izay ho haza tafajoboka anaty ny fandrikany. Tsy nahomby anefa ny teti-dratsiny ary izao noraisim-potsiny izao. Tetsy andanin’izay kosa, nisy sasany tamin’ireo mpitandro filaminana no nanesotra ireo sakana ary nitsirika ny manodidina hatrany, sao mbola misy namany hafa mitampify anaty bozaka any. Nentina avy hatrany tany amin’ny toby moa ity olon-dratsy mpanakan-dàlana ity, hanaovana famotorana. Ary raha tsy misy ny fiovàna dia hatolotra ny Fampanoavana tsy ho ela ity mpanakan-dàlana tsy nahatontosa velively ny asa ratsiny ity. Ireo mpitandro filaminana moa dia tsy mitsahatra ny manentana ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao azy ireo hatrany ara-potoana hahafahana misoroka ireny karazana asa ratsy ireny. Tamin’ity tranga iray, raha tsy tonga ara-potoana izy ireo dia angamba efa maro ireo fiara no lasibatra teo, indrindra fa hoe isan’ireo lalana be mpifamezivezy iny lalam-pirenena fahafito iny.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.