Anjozorobe : Mpividy vato nalain’ny dahalo an-keriny

Lehilahy iray, saika hividy vato tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny no lasibatry ny fakana an-keriny nataona olon-dratsy, ny alatsinainy teo. Niditra an-tsehatra avy hatrany ireo mpitandro filaminana tany an-toerana. Ny alin’ny alatsinainin’ny Paka teo, tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no nahazo antso ireo zandary avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Beronono ny mahakasika ity fakana takalonaina nitranga tao amin’ny tananan’Andranofasika, fokontany Ambohitsitaitaika. Raha ny fanazavana azo avy amin’ny kaomandin’ny tobim-paritra Ambatomanoina, izay misahana izany faritra izany, dia jiolahy niisa teo amin’ny telo teo ho eo, nirongo fitaovam-piadiana: zava-maranitra sy basy, no nanafika io tanàna voalaza etsy ambony io. Olona izay tonga hividy vato tany amin’izany toerana izany no lasibatr’izy ireo tamin’io fotoana io. Tsy nikasika ny vola nentin’ity lehilahy ity ireo olo-dratsy fa ny vatatenany no nentin’izy an-keriny sy nokasain’izy ireo hosandaina vola. Tsy niandry ela ny fandraisana andraikitra teo amin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana nentina nanavotra ity olona teny am-pelatanan’ny dahalo ity. Zandary maromaro avy any Beronono, niaraka tamin’ny miaramila avy ao Ambohitsitaitaika no indray nanao ny fanarahan-dia sy hanavotra izany olona izany. Raha ny vaovao azo hatrany dia vetivety dia nahatratra ireto olon-dratsy ireo mpitandro filaminana. Nisy mihitsy aza ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, satria tsy nanaiky mora foana ny handefasana ny haza teo am-pelantanany ireo jiolahy. Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ny roa tonta ary nitatatata tao anaty kirihitra tao ny basy. Farany, resy tosika ireto jiolahy ary namotsotra ilay lehilahy ihany. Avotra soa aman-tsara araka izany ity farany ary efa nihazo ny tanàna. Tetsy andanin’izay kosa dia fantatra fa nisy iray tamin’ireo mpaka an-keriny no voan’ny balan’ireo mpitandro filaminana ary maty tao anaty fifanjevoana. Nanao tari-dositra nitsoaka kosa ireo namany hafa, izay mbola ifanenjehana hatramin’ny ora nanoratanay omaly. Mbola mitohy araka izany ny savahao sy ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Marihina fa tsy nahavita izay nokasain’izy ireo hatao ireto jiolahy ary tsy nahazo na inona na inona tany amin’ity mpividy vato ity, raha ny vaovao azo hatrany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.