Vaky fasana : Telo lahy matin’ny fitsaram-bahoaka

Tra-tehaka teo am-panaovana ny asa ratsiny ireto telo lahy nikasa ny hamaky fasana sy hangalatra taolam-paty tany amin’iny faritra Anosy iny, ny alin’ny alatsinain’ny Pentekoty teo. Tsy namelan’ny fokonolona raha tsy tapitra ny ain’ireto telo lahy. Tafatsoaka kosa ny iray. Araka ny fampitam-baovao azo, fasana iray tao Andaivozoka, fokontany Marovato, any amin’iny distrikan’i Tolagnaro iny no nokasain’ireto efa-dahy tsy valahara novakiana. Azo antoka avy hatrany fa nikasa ny haka ny taolambalon’ireo razana tao amin’ity fasana ity izy ireo tamin’io fotoana io. Ny tsy nampoizin’izy ireo anefa dia ny nifanenany tamin’ny andrimasom-pokonolon tao an-toerana. Raikitra teo ny fifanenjehana ary tsy lasa lavitra dia tratra ny roa tamin’ireto olon-dratsy. Nifampitolomana ary raikitra avy hatrany ny daroka isan-karazany, izay niafara tamin’ny famoizan’ity voasambotra ity ny ainy, noho ireo ratra nahazo azy. Tetsy andanin’izay, nitohy hatramin’ny maraina ny fanenjehana ireo roa lahy hafa tafatsoaka ka ny antoandron’ny talata teo no azo ny iray. Nanefa hatramin’ny ainy ihany koa moa izany. Efa nisy ny fampandrenesana avy hatrany natao an’ireo tompon’andraikitry ny filaminana ary niditra an-tsehatra avy hatrany ireo zanadary ao amin’ny zanatobimparitra Ranopiso nanao ny fanadihadiana ary nanohy ny fikarohana ilay iray nitsoaka. Tranga iray anisan’ny mbola saro-bahana hatreto ity resaka vaky fasana sy halatra taolam-paty ity. Inona no antony ary atao inona izany? Zavatra iray saro-pady indrindra eo amin’ny Malagasy anefa izany hoe very taolambalo izany ary fanimbazimbana kolontsaina mihitsy ny famiravirana ny razana sy famakiana fasana. Antony manosika ny fokonolona indraindray tsy handefitra intsony manoloana ny toe-java-misy, ka mahatonga ny tranga toy ity tany Tolagnaro ity. Eny fa na dia eo aza antso avo ataon’ireo mpitandro filaminana fa tsy araka ny lalana velona ny fitsaram-bahoaka.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire