Andohatapenaka : Jiolahy nanakan-dalana tamin’ny sarety, maty voatifitra

Lalana eto an-drenivohitra mihitsy ! Sarety feno biriky no nentin’ireo olon-dratsy nanakana ny lalana tetsy Andohatapenaka, vao mangiran-dratsin’ny sabotsy teo. Taxi-be niasa vao maraina no lasibatra ka nahazoan’izy ireo vola sy firavaky ny mpandeha. Fihantsiana sa tsy fahatahorana mpitandro filaminana intsony ? Tsy lalam-pirenena akory fa dia lalana eto an-tanan-dehibe, eto an-drenivohitra mihitsy, no sahin’ireo jiolahy nasiana sakana. Ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny roa ora sy sasany maraina, tamin’iny lalana tetsy Andohatapenaka iny dia nitrangana fanakan-dalana nataona jiolahy miisa efatra, nirongo zava-maranitra sy basy. Araka ny fampitam-baovao avy amin’ny pôlisim-pirenena dia taxibe niasa maraina, nitondra mpivarotra legioma no lasibatra teo amin’izany sakana izany. Rehefa norahonan’ireo olon-dratsy ireo mpandeha ka nanaiky izay nolazain’izy ireo dia lasa tamin’izany ny firavaka sy ny vola tany amin’ireto farany. Nampandrenesina avy hatrany ny mpitandro filaminana ary tsy ela dia tonga teny an-toerana ny pôlisy avy etsy amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahafito, niaraka tamin’ireo pôlisy voaofana manokana hiady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika, na ny SAG. Mbola tratran’izy ireo teo ny sakana nataon’ireto olon-dratsy ary mbola nifanenjehana ihany koa aza ireo farany rehefa nitsoaka nahita ny fiaran’ireo mpitandro filaminana. Nitohy hatrany Ankasina ny fifanenjehana teo. « Nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta ka lavo tamin’izany ny jiolahy iray nitondra basy , azo sambo-belona ny iray hafa, tafaporitsaka kosa ireo jiolahy miisa roa, hoy hatrany ny vaovao. Hita tany amin’ity maty voatifitra ity moa ireo fitaovam-piadiana nampiasain’izy ireo, ka ankoatra ny antsy lava nentin’ireo olon-dratsy, hoy ny fanazavana azo tamin’ny pôlisy, dia tra-tehaka ihany ny basy, izay tsy inona akory fa « basy kilalao ». Nalefa eny amin’ny tranom-paty avy hatrany moa ny vatana mangatsiakan’ity jiolahy mpanakan-dalana ity. Nentina nihazo ny kaomisarian’ny pôlisy kosa ilay iray azo sambo-belona, mba hanaovana famotorana. Mbola nanohy ny hazalambo sy ny fikarohana ireo namany tafatsoaka moa hatramin’ny omaly ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Efa nesorina haingana kosa ireo sakana, teo amin’ny lalana. Hatramin’izay dia anisan’ny faritra mena amin’ny asan-jiolahy isan-karazany raha iny faritra Andohatapenaka iny. Tsy vitsy tokoa ireo lasibatry ny mpanendaka mirongo zava-maranitra, raha vao mirotsaka fotsiny ny alina ary indrindra fa ao anaty fitohanan’ny fiara, izay saika isan’andro eny an-toerana. Tamin’ity indray mitoraka ity tsy niandry fitohanana intsony ireo jiolahy fa naleon’izy ireo nametraka sakana tamin’ny lalana mihitsy, ahafahany manao izay asa ratsy izay. Etsy andanin’izay, ny eo anivon’ny pôlisim-pirenena dia tsy mitsahatra ny miantso hatrany ny tsirairay amin’ny fanomezam-baovao ara-potoana azy ireo. Iaraha-mahalala tokoa mantsy fa olona eny anivon’ny fiaraha-monina eny ireo olon-dratsy saingy vitsy amin’ireo mpiara-monina aminy no sahy mitoroka noho ny tahotra ny valifaty avy eo.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire