Antsirabe : Mbola haharitra ny fahatapahan’ny jiro sy ny rano

Mbola mitohy hatramin’izao ny fahatapahan-jiro sy ny rano eto Antsirabe sy ny manodidina. Hatramin’ny alahady teo aza moa dia haino aman-jery maromaro eto Antsirabe no tsy afaka nandeha intsony, raha ny fantatra mahakasika ity fahatapahan’ny haino aman-jery  ity dia voalaza fa nisy andrin-jiro niajera indray teny Ivohitra teny ka mbola eo am-pikarohana ny vahaolana ny tompon’andraikitra. Mbola haharitra kosa ny fahatapahan-jiro isaky ny alahady  ho an’ny faritra sasany eto Antsirabe. Izany dia vokatry ny fanoloana ireo andrin-jiro amin’ny RN7 mitondra herin’aratra mamatsy tambajotra iray mamatsy an’Antsirabe . Efa antitra no vita amin’ny hazo ireo andrin-jiro ireo ka izay no antony hanoloana azy hoy ny tale jeneralin’ny Jirama Atoa Vonjy Andrimanga raha nandalo teto Antsirabe nanatrika ny atrikasa niarahana tamin’ny fikambanana miharo ny zon’ny mpanjifa nitadiavana vahaolana amin’ireo olana mitranga sy ho fanatsarana ny tolotra. Toy izay ihany koa ny rano, faritra maro eto Antsirabe no  zara raha mahazo rano, ambany dia ambany ny tahan’ny rano miakatra, ny faritra sasany aza moa tsy mandeha mihitsy. Fihotsahan’ny tany ao Ivohitra no antony ka nahatapaka ny fantsona lehibe iray hoy hatrany ny tale jeneralin’ny jirama nanazavana no nitondra fialan-tsiny noho ny fikorotanan’ny famantsiana jiro sy rano eto Antsirabe. Haharitra herinandro eo ny amin’ny fahatapahan’ny rano raha toa ka mbola hatrany amin’ny faran’ny taoana any kosa ny fahatapahan-jiro isaky ny alahady.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire