Anosizato Andrefana : Toerana efa fanta-daza, fitsindromana heroine

Tsy isalasalàna tokoa fa efa tena mirongatra sy miparitaka tanteraka eto amintsika, fa indrindra eto an-drenivohitra ity fandraisana rongony mahery vaika ity. Teny amin’iny faritra Anosizato Andrefana iny dia voalaza fa efa misy toerana iray fanta-daza amin’izany ary efa tsikaritry ny pôlisy.

Tsy niandry ela tokoa ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana miady amin’ny zavamahadomelina raha vao nahare izany vaovao izany fa nidina ifotony teny an-toerana, nanamarina sy ny nijery ny zava-nisy, ny alarobia teo. Voamarina tanteraka ny fisian’izany toerana izany, izay sady fivarotana no fitsindromana heroine, ary napetraka avy hatrany ny vela-pandrina, raha ny fampitam-baovao azo. Tovolahy telo, izay mbola samy ao anatin’ny fahatanorana tanteraka no tra-tehaka tao, niaraka tamin’ny vovon-drongony sy ireo fitaovana fitsindromana.  « 18 sy 19 ary 21 ny salan-taonan’izy ireto, izay tra-tehaka tao amin’ny tokantrano iray teny Ampefiloha /Anosizato Andrefana . Mbola nahitana héroine miisa 9 sy fitaovana toy ny séringue miisa 7, briquet miisa 7 teny aminy nandritra ny fisamborana », hoy hatrany ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Nentina avy hatrany nihazo ny biraon’ny pôlisy tetsy Anosy ireto zatovo telo lahy ireto ary natao famotorana. Voalaza tao anatin’izany fa « ny roa amin’izy ireo dia mpanjifa, mpivarotra sy mpitsindrona kosa ny iray. Ity farany moa dia nahatrarana héroine miisa 7 teny aminy ka mba ny tombony azo no hitsindromany. Vidiany 3000Ar ny iray cocotte; zarainy roa ary amidiny 3000Ar indray ny iray avy eo ». Bizina sy volabe tokoa, rehefa mitambatambatra, satria dia nambara fa mety mahalafo « cocotte » (indray mitsindrona) hatrany amin’ny folo any ranamana isan’andro ary efa ho fito volana teo izao no nidirany tao anatin’ity bizina maloto ity. Efa manana mpanjifa raikitra ity tovolahy ity, ka anisan’izany ireto tra-tehaky ny pôlisy niaraka taminy ireto. Ny fanontaniana eto, ary heverina fa hiroso mankany amin’izay ny famotorana lalina ataon’ireo mpitandro filaminana, fa tsy hihanona fotsiny amin’ireto « trondro madinika » ireto, dia ny hoe avy aiza izany rongony mahery vaika izany ? Iza avy ireo mpamatsy azy ary amin’ny fomba ahoana no nahatongavan’izany teto an-tanindrazana ? Marihina fa efa natolotra ny Fampanoavana omaly ihany ireto mpitsindrona sy mpivarotra heroine ireto, raha ny vaovao azo avy amin’ny pôlisy hatrany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire