Toamasina : irongatra ny fitsindronana héroïne

Nilaza ny prefen’i Toamasina Atoa Razafiarison Jean Jugus tamin’ny tatitra azony avy amin’ny mpitandro ny filaminana, fa mirongotra izay tsy izy ny fitsindronana zava-mahadomelina mahery vaika tahaky ny “Cocaine” sy “Heroine”, sy fifohana zava-mahadomelina avy eto an-toerana tahaka ny “chanvre indienne” na rongony amin’izao fotoana izao. Vokatra izany dia mirongatra izay tsy izy ihany koa ny tsy filaminana eto Toamasina na ireo mpitondra fitaovam-piadiana izany na ireo mpitondra famaky sy antsy ary kibay, satria efa mandray izany hatrany an-tsekoly mihintsy ireo tanora amin’izao tahaka ny eny amin’ny lycée sy ny Oniversite. Nisy mihitsy ireo mpianatra telo lahy teny amin’ny oniversite hiakatra fitsarana ny talata 12 oktobra ho avy izao. Eo amin’ny tsy fandriampalemana dia mahatsapa ny rehetra fa mirongatra ny halatra samy hafa izay tsy mifidy zavatra angalarina ny andian-jiolahy mpanao izany. Ny tena olana dia taterina amin’ny Bajaj na Tuc-Tuc sy Posy ireo entana avy nangalarina nefa dia samy jery fotsiny ny rehetra mahita izany; ny 7 oktobra teo dia nitrangana fandrombana narahana fitaovam-piadiana ny mpivarotra fitaovana fanaovan-trano iray tao Ambolomadinika. Renim-pianakaviana iray no naratra mafy taorian’izany ka “Carreaux” valo baoritra lehibe no lasan’ireo jiolahy tamin’izany. ny ampitson’ity fanafihana ity ny 08 oktobra dia tranomborotra iray eo akaikin’ny biraon’ny lapan’ny faritra atsinanana ao Mangarano faha-02 izay mpanao ireny hazakazan-tsoavaly “Bet-261”. Tsy fantatra ireo vola lasan’ireto andian-jiolahy nandritra izany fahafihana izany, fa ireo fahitalavitra fisaka efatra sy solontsaina entin-tanana no lasan’ireto jiolahy. Tahaka izany koa ity trano fisakafoana iray tao Tanamakoa, izay lasa avokoa ihany koa karana-tsakafo sy ireo zava-pisotro samy hafa ary fitaovana maro samihafa. Nohamafisin’ny prefen’i Toamasina hatrany fa mirongatra ihany koa ny fanendahana sy ny von’olona miaraka amin’ny halatra moto manginy fotsiny ao anatin’izany.

 

Malala Didier

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire