
| Ambohijatovo : Olona iray naratra, sempotra ny mpandalo |
|
|
|
| Mercredi, 18 Janvier 2012 00:00 |
|
Nirefodrefotra sy nanentoento eran’Ambohijatovo ny grenady mandatsa-dranomaso omaly tamin’ny 11 sy 40 minitra, nandritra ny fanaparitahana ireo mpanao fihetsiketsehana notarihin’ny profesora Zafy Albert. Lehilahy iray no naratra mafy teo amin’ny tongony ary saika sempotry ny entona avokoa ireo mpandalo teny amin’iny toerana iny. Fa isan’ny nizaka ny vokatry ny entona mandatsa-dranomaso avy amin’ny grenady ihany koa ny mpianatra madinika tao amin’ny sekoly rehetra manodidina an’Ambohijatovo iny. Araka ny voalazan’ny tomponandraikitra voalohany ao amin’ny mpitandro filaminana dia « tsy nahazoana alalana ny fidinana an-dalam-be nokasaina hatao ary efa tafiditra ao anatin’izy ireo ihany koa ny mpandroba ka izay no antony nanaparitahana azy ireo ». Vetivety ihany moa dia niparitaka ny olona teny. Nanao fihetsiketsehana ihany koa ary nidina an-dalam-be ny mpianatry ny oniversité teny Ankatso omaly maraina, saingy tsy tanteraka hatramin’ny farany izany noho ny tsy fahamatoran’ireo mpitarika. Lasa ady an-trano eo amin’ny samy mpianatra aza moa no niafarany satria voalaza fa lanin’ny mpitarika sasany ny vola « famonoana afo » voarain’izy ireo. Fantatra izany izao fa tetika hahazo io vola io no tena mahatonga ny mpianatra sasantsasany hitarika fitokonana eny Ankatso. Aina R. |






