StValentin

Andohan’i Mandroseza : Sakafo voapoizina, olona fito hafa naiditra hopitaly PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00

Omaly dia fantatra fa nisy olona fito hafa indray tsy maintsy nampidirina hopitaly noho ny sakafo voapoizina nohanin’izy ireo teny Andohan’i Mandroseza. Hatramin’izao anefa aloha, tsy fantatra mazava tsara izay nahatonga izao aretina hafahafa izao. Efa nanomboka tamin’ny alahady lasa teo no nisy olona ampolony tsy maintsy nandalo hopitaly vokatr’io zavatra io. Maro ny resaka re tetsy sy teroa. Ao ny milaza fa “composé” ratsy voatra no nahatonga izany. Ny loharanom-baovao hafa indray anefa miteny fa rano voapoizina nosotroina no nahatonga izany. Saika mitovy hatrany anefa ny fisehon’ny aretina. Marary loha, marary kibo ary miakatra hafanana. Misy ny mando sy mivalana. Ireo olona fito nampidirina hopitaly omaly dia ahitana ankizy dimy sy olon-dehibe roa. Rehefa avy nojeren’ny mpitsabo izy ireo dia afaka nandeha nody ny roa fa ny dimy kosa mbola arahina eny amin’ny hopitaly ny fahasalamany.

Tamin’ity herinandro ity, saika isan’andro no nisy olona nentina teny amin’ny hopitaly. Raha ny fahitana azy, olona sahirana avokoa izy ireny.

r.s.

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton