StValentin

Arivonimamo : 50 tapitrisa voaroba, olona roa voatifitra sy voakapa famaky PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00

Tanana telo be izao no indray notafihin’ny jiolahy tany amin’ny disitirik’Arivonimamo. Mpiantsena maromaro koa voaendaka

Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tany amin’ny disitirikan’Arivonimamo. Tanana telo be izao no indray novangian’ny jiolahy miisa dimy nirongo basy. Tao amin’ny tanana atao hoe Kianjakely no nanombohany ny fandrobana. Mpivarotra iray no lasibatra tamin’izany. Niditra avy hatrany izy ireo ary nasainy nihohoka tamin’ny tany izay rehetra tao an-tsena, mpividy sy mpivarotra. Nandeha ny daroka ary nanontaniany ny toerana misy ny volam-piangonana. Tsy nisy izany anefa tao koa dia ny vola maty sy ny entana izay zakany no nentiny. Avy eo nandeha tao amin’ny tanana iray antsoina hoe Antanifisaka indray izy ireo ary nanapoaka basy. Mpamongady iray no lasibatry ny jiolahy ka vola 50 tapitrisa no lasan’izy ireo. Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva tany ho any no tonga tao amin’ity mpamongady ity ny andian-jiolahy mirongo basy ary avy hatrany dia niditra no sady nanapoaka basy. Ny sasany kosa niandry tety ivelany, manara-maso ny manodidina. Efa somary vistivitsy ihany koa ny olona nifamezivezy teny an-toerana tamin’io fotoana io. Ny vola , izay toa efa fantatr’ireo jiolahy ny fisiany, no avy hatrany dia notadiavin’izy ireo.  Tafakatra hatrany amin’ny 50 tapitrisa ny vola lasan’ireo olon-dratsy tamin’io.

Tifitra. Sady nandositra ireo jiolahy no mbola nanapoaka basy indray mandeha. Efa nanomboka nahare ny korontana ny fokonolona tao an-tanana ka nanomboka nivoaka. Raikitra ny fifanenjehana tamin’ireo jiolahy ka mbola nanapoka basy indray ireto farany no sady nitifitra ireo mpanenjika. Vokany, olona roalahy no voa ka ny iray voa teo amin’ny vavany ary ny faharoa kosa voan’ny bala teo amin’ny tratrany. Nentina notsaboina teny amin’ny hopitaly ireo roalahy naratra, izay voalaza fa mpirahalahy ihany, saingy noho ny fahasarotan’ny ratra nahazo azy ireo dia tsy maintsy nentina taty an-drenivohitra ka tetsy amin’ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona no nitondrana azy ireo. Efa tany amin’ny 10 ora alina tany ho any vao tonga taty Antananarivo izy ireo ary mbola eo an-dalam-pitsaboana ny fianakaviana amin’izao fotoana izao. Tsy nijanona teo ry zalahy fa nanafika tao Ambohijatovo ihany koa. Teny an-dalana anefa, nisy olona nifanena taminy ary norobainy koa. Mbola nitifitra ihany izy ireo sady nikapa famaky. Tafakatra efatra izany ireo naratra. Ankoatra ireo, nisy mpianaka avy nivarotra voaroba 140 000 ariary. Teo koa ny lehilahy iray nitondra mananasy tamin’ny bisikileta izay niharan’ny vono.

Raha vao niala tao Kianjakely ireo jiolahy dia efa nisy ny nampandre ny zandary. Efa hariva ihany anefa ireo mpitandro filaminana vao tonga na dia nandeha moto aza noho ny haratsian’ny lalana amin’iny toerana iny. Ny loharanom-baovao no nahalalana fa nifanehitra tamin’ireo jiolahy ireo zandary ireo ka nisy ny fifanenjehana. Tsy mbola nisy tratra ihany koa ireo jiolahy ary mbola mitohy ny fikarohana azy ireo amin’izao fotoana izao.

Aina R.

 

une120207

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton