StValentin

Faritra Atsimo Andrefana : Nidina ny voka-bary ny taona 2011 PDF Imprimer Envoyer
Lundi, 23 Janvier 2012 00:00

Fanamby amin’ity taona ity ny hamokarana vary akotry 250 000 taonina

Olan’ny fambolem-bary ato amin’ny faritra Atsimo-Andrefana ny tsy fahampian’ny rano, ny fahasimbana na tsy fahampian’ny fotodrafitrasa toy ny tohodrano sy lakandrano manondraka velarantany, ny firongatry ny bibikely mpanimba voly ary ny fisian’ny aretim-bary. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian’ny ambioka sy teknikam-pambolena manaraka ny toetrandro. Vokany, miovaova lava ny toeram-pambolena ary kely ny vokatra azo, ka fatiantoka 30-50% ho an’ireo tantsaha izany. Fantatra ireo olana rehetra ireo taorian’ny fanadihadihana nataon’ireo manampahaizana mpikaroka ato amin’ny faritra. Mba hoentina hanatsarana hatrany ny fambolem-bary eto amintsika dia misy ireo karazam-bary efatra nohatsaraina, toy ny ON333, X265, MR, X1659, taorian’ny fikarahona natao, miampy ireo vary zanatany. Ireto karazam-bary vaovao ireto moa dia volena amin’ny fomba roa, dia ny fambolena mahazatra ny tantsaha ary ny teknikam-pambolena notsorina na ny SRA/SRI. Io izany no heverina fa ho vahaolana hahomby hampitomboana ny vokatra.

Anisan’ny hampitombo ny vokatra ihany koa amin’’ity taona 2012 ity, ny fahavitan’ny fotodrafitrasa roa lehibe, dia ny “prise du Bevoay” ao Bas Mangoky, distrikan’i Morombe sy ny tohodrano ao Andoharano, distrikan'i Toliara II. Fanamby moa amin’ity taoana ity ny hamokatra vary akotry 250.000 taonina, hoy ny talem-paritry ny fampiroboroboana ny eny ambanivohitra, ny Dr Edaly. Fa hoezahina tsy hiohatra ny 250.000 hektara kosa ny velarantany hahitana na ho rakotra valala eto Madagasikara, hoy Atoa John Walson, talen’ny foibem-pirenena amin’ny ady amin'ny valala (CNA), raha te-hahavita tena ara-tsakafo marina isika.

Eric RAKOTOSON

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton