StValentin

Ampanotokana Mahitsy : Fatin-dehilahy natsingevan’ny rano PDF Imprimer Envoyer
Lundi, 23 Janvier 2012 00:00

Tamin’ny sabotsy teo no nahitan’ny mponina tany Ampanotokana Mahitsy, fatin-dehilahy iray nitsingevana tao amin’ny reniranon’Ambarazo. Rehefa nampiakarina teny amin’ny sisiny ny razana dia hita fa efa simba be. Milaza izany fa efa andro maromaro no tao anaty rano tao izy. Tonga teny an-toerana ny zandary any an-toerana nizaha ny zava nisy. Lehilahy tokony ho eo amin’ny 35 taona eo ity namoy ny ainy ity ary mirefy 1,70 m. mainty fihodirana ary ngitangita ny volony. Mbola miakanjo tsara ilay izy, mipataloa volambatolalaka, kilaoty fohy anatiny misy sarim-bonikazo, mikiraro mainty, miakanjo ambony miloko manga ary misy peratra varahina ny ratsantanany havanana. Nitangorona ny olona samy liana te hijery. Rehefa nanontanian’ny mpitandro filaminana anefa, tsy misy mahalala ity lehilahy ity. Vahiny eny amin’iny faritra iny izy. Tsy fantatra koa etsy andanin’izany na maty an-drano tsotra fotsiny izy na nisy namono ary rehefa avy eo natsipy tany anaty rano tany.. Ny fokonolona teny an-toerana, araka izany, no nikarakara ny fandevenana ny razana. Efa misokatra ny fanadihadiana ataon’ny zandary avy any Mahitsy hahalalana ny tena marina amin’ity zavatra ity.

r.s.

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton