StValentin

Mahajanga : Mitokona ny mpitarika posy PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 17 Janvier 2012 00:00

Nitokona ny mpitarika posy tao Mahajanga tamin’ny alahady faha-15 janoary lasa teo. Antony, rehefa avy nivory niaraka tamin’ny ben’ny tanana ny solontenan’izy ireo dia hisy ny fampiofanana azy momba ny lalana mifehy ny fifamoivoizana ary handoavam-bola izany. Omena karazana « permis » izay nahavita fiofanana. Toa tsy nahafaly ny ampahany maro io fanapahan-kevitra io ka izany no nahatonga ny fitokonana. Tetsy andaniny kosa anefa, nisy ihany ireo izay tsy mba nandray anjara tamin’ny grevy ka niasa. Tsy faly ireo nitokona ka dia raikitra ny fifanenjehana eran’ny tanana. Nitondra pilotra sy kibay ireo nanenjika. Eo anatrehan’izany, nisy ny fivoriana faharoa omaly alatsinainy izay niarahan’ny ben’ny tanana, ny mpitandro filaminana, ny tompon’ny posy ary ny mpitarika posy.

r.s.

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton