
| Ambohibao : 4x4 nidona tamin’ny trano, olona roa maty |
|
|
|
| Lundi, 30 Janvier 2012 00:00 |
|
Vehivavy roa namoy ny ainy, ary olona roa hafa naratra mafy. Io no vokatry ny lozam-pifamoivoizana niseho tetsy Ambohibao ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany maraina. Fiara 4x4 Terios, avy any Ambohijanahary ary ho aty an-drenivohitra no niharan-doza vokatry ny fandehanana mafy loatra ka nifatratra tany amina trano fivarotan’ny Homeopharma. Nirodana ny rindrina ka nianjera tany amin’ny mpandeha an-tongotra nandalo teo. Voalaza fa nandeha mafy ilay fiara tamin’io fotoana io, saingy nisy zaza nanapaka tampoka ka voatery niala iny ilay fiara 4x4, izay vehivavy no nitondra azy. Tsy voafehin’ilay mpamily anefa ny fiara ka nifatratra tany amina trano fivarotana. Nirodana ny rindrina ka nianjera tany amin’ny ireo olona nandalo teo. Vehivavy iray, 22 taona no maty teo noho eo, olona iray hafa tsy nahatsiaro tena ary olona roa naratra mafy. Nentina teny amin’ny hopitaly loterana Ambohibao ireo naratra ary ny iray kosa nentina teny amin’ny HJRA. Fotoana fohy taorian’ny nitrangan’ny loza anefa dia namoy ny ainy koa ilay tovovavy iray 22 taona. Voalazan’ny fianakaviany fa saika hatao raharaham-panambadiana izy no izao maty izao. Halevina any amin’ny fasan-drazany any Tsarasaotra – Ambositra ny razana ka omaly no niala teto Antananarivo. |






