Belo sur Tsiribihina : Mitohy ihany ny fisamborana PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 16 Février 2012 00:00

Mihazakazaka ny toe-draharaha ao Belo sur Tsiribihina. Ankoatra ny fidinan’ny miaramila amin’ny kamiao maromaro tany an-toerana dia fantatra koa fa mbola mitohy izao ny fisamborana. Olona telo indray no nosamborin’ny mpitandro ny filaminana. Ny iray amin’ireo dia Adjoint au maire, raha araka ny fantatra. Izy dia isan’ny nikabary tamin’ny asabotsy lasa teo. Omaly no nisehoan’izany tao an-tampon-tanànan’i Belo sur Tsiribihina. Raha tsiahivina dia mitaky ny hananganana ny Dina ny vahoaka rehefa voalazan’ireo fa tsy voafehy intsony ny fandriam-pahalemana ao amin’ny distrika. Izany anefa dia toherin’ny mpitandro ny filaminana satria miendrika fitsaram-bahoaka matetika ny fisehony. Ny hevitry ny lehiben’ny Faritra indray, raha araka ny fijerin’ny vahoaka azy, dia tsy marim-pototra loatra ary koa miovaova. Ankoatr’izay dia  fantatra koa fa misy olona misandoka ho mpikamban’ny komitin’ny “Dina” amin’izao fotoana. Izany indrindra no antony anaovan’ny “mpiray Dina” antso avo, izany hoe ireo tompon-kevitra ao anatin’ny Dina, mba ho mailo hatrany fa mitady hisy hanakorontana ireo mpisandoka ireo. Mazava izany fa mbola tsy milamina ny ao Belo sur Tsiribihina ao. Mandeha ny fisamborana, misy ny mpisandoka ho mpiray Dina ary koa tsy mahatapaka ahitra ny manam-pahefana…

D.R

 

une120516

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton