StValentin

Antsiranana : Niisa 25 ny foroche voasambotra tao anatin’ny dimy andro PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 24 Janvier 2012 00:00

Ela no nikarohana ireo zaza mania mpanafika  ary mpampihorohoro eto Antsiranana, nanomboka ny taona 2007. Be ny ezaka nataon’ny mpitandro ny filaminana fa indrindra ny zandary. Ny fahatratrarana ireo andian-jatovo saika hanafika ny sekoly CEG tao Ramena ny talata lasa teo no nahitana ny namany. Mafy ny asa nataon’ny zandary tamin’ny fanadihadiana, nahazoana ireo 25 ireo. Ao ny sasany efa namono olona , mpandrava, ary mampihorohoro ny vahoaka.
Tsy nandry andro, tsy nandry alina ny zandary tamin’ny fanaovana “operation” sy sarika am-pandriana ireo tanora maditra ireo. Na dia izany, mbola misy karohina amin’izao, nandositra ivelan’ny tananan’Antsiranana.
Mangataka famotsoran-keloka ireo ray aman-dreny maro eto Antsiranana. Ao ny ray aman-dreny sasany milaza fa tsy mahalala ny hadalana ataon’ny zanany amin’ity tanana ity. Tsy handefitra ny mpitandro ny filaminana sy ny manampahefana eto Antsiranana amin’ity raharahan’ny foroche ity. 13 ny “groupe TOGO” amin’izy ireo. Tamin’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro ny filaminana no nahalalana fa niaiky ny hadisoana nataony  ireo andian-jatovo 25 ireo . Ary nasehon’izy ireo tamin’ny alalan’ny hira izany omaly tao amin’ny camp Parde. Ny mampalahelo, mbola maro ihany ireo ray aman-dreny  tsy miaiky ny ditran’ny zanany. Tsy mbola mazava ny tena izy fa ny fitsarana ihany no tompon-teny farany, amin’ity  raharaha ity. Amin’izao dia ny lehiben’ny distrika no handray an-tanana  ny  fanohizana ny famotorana. Mbola tsy fantatra ihany koa na mety ho firy no hivoaka , mety ho firy no hovoatazona am-ponja vonjimaika. Nisy naka mpisolovava ny ray aman-dreny sasany.
Voasambotra koa ny mpamatsy vola. Araka ny vaovao azo tamin’ny kapiteny Lova, commandant de compagnie dia voasambotra ihany koa ny vehivavy iray izay namatsy vola ireo andian-jatovo nanafika tany Ramena. Tsy fantatra mazava ny tiany hahatongavana hatramin’izao. Fa mipetraka ny ahiahy fa mety ho izy no mpivarotra ny entana azon’ireo andian-jatovo mpanendaka ireo. Mety ho lava ny “opération” ataon’ny zandary satria tsy mitsahatra manome vaovao mahakasika ireo foroche ireo ny mponina maro eto Antsiranana.
Tsy hamindra fo ny mpitondra. Araka ny resaka nifanaovana tamin’ny mpitondra avy aty amin’ny faritra DIANA , tsy hisy mihitsy ny famindram-po satria efa niaina tao anatin’ny tebiteby sy horohoro ny vahoaka teto Antsiranana nanomboka ny taona 2006. Marina fa mafy ny migadra zanaka, nefa maro ihany koa ny zanak’olona maty vokatry ny fanafihana ataon’ireo andian-jatovo ireo.
Mbola mitohy ny tantara.
V.JCL

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton