
| Tapatapany (28/01/12) |
|
|
|
| Samedi, 28 Janvier 2012 00:00 |
|
# - Raharaha FIGN. Miaramila efatra nohafahana. Fantatra izao fa olona efatra voarohirohy tamin’ny raharaha FIGN no nahazo fahafahana tamin’ny alakamsiy araka ny filazan’ny fianakavian’izy ireo tamin’ny fahitalavitra iray eto an-toerana. Ny antony namoahana azy ireo, hoy ihany ilay vaovao, dia noho izy ireo tsara fitondran-tena. Ireo namany kosa dia mbola tazomina any amin’ny toerana maromaro samihafa. Mbola misy sivy izany ireo tazomina amin’ity raharaha ity. Mahatsiaro ho sahirana ny havany na dia ny fitsidihana azy ireo sy ny fanaterana sakafo fotsiny aza. # - Amparibe. Mpianatra iray matin’ny lozam-pifamoivoizana. Omaly tokony ho tany amin’ny 5 ora tany ho any, nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Amparibe. Fiara 4X4 Toyota iray no nandona ankizy vavy roa nirava avy nianatra. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa tena voa mafy tokoa ny iray satria teo amin’ny lohany no voahosy ary potika mihitsy izany. Maty tsy tra-drano ilay ankizy. Ilay namany kosa naratra mafy ary tsy maintsy nentina teny amin’ny hopitaly hotsaboina. Tsy mbola fantatra mazava moa ny tena nahatonga ity loza ity. mpianatra avy ao amin’i Maria Manjaka ireto ankizy ireto. # - Mpikarama an’ady. Hiatrika ny Fampanoavana i Joseph Akiva. Anio no hiatrika ny Fampanoavana eny amin’ny tiribonaly Anosy i Joseph Akiva voalaza fa mpikarama an’ady. Tamin’ny zoma tamin’ny herinandro lasa izy no nosamborin’ny DST sy ny avy ao amin’ny BC tao amin’ny hotely Carlton. Nahitana fitaovana fandraisam-peo hafa kely tany aminy tamin’io andro io. Mbola tsy nisy na inona na inona anefa tao anatiny. Efa misy havany avy any amin’ny tany niaviany moa tonga eto an-toerana ary naka mpisolovava ho azy. # - Manakara. Mpanjono telo lasan’ny ranomasina. Tamin’ny alakamisy teo, mpanjono telo no indray tsy hita fa lasan’ny ranomasina tany amin’ny tanana iray 15 km miala an’i Manakara. Nivoaka ohatra ny fanaony izy ireo tamin’io andro io. Tsara ny andro tamin’ny fotoana niaingany. Tamin’ny folakandro anefa, nisy tafio-drivotra sy orana be. Raha ny tena izy, tokony ho amin’ny 7 ora any ny fiverenan’ireny mpanjono ireny raha ela indrindra. Dila anefa io ora io, tsy mbola nipoitra izy ireo. Nangonin’i r.s./D.R. |






