StValentin

Mpitsara sandoka : Nalefa any am-ponja PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 26 Janvier 2012 00:00

Naiditra am-ponja vonjimaika, rehefa nandalo teo anoloan’ny mpitsara mpanao famotorana ny lehilahy iray izay misandoka ho mpitsara. Olona maromaro , izay mpiara-monina aminy teny Itaosy no nambakain’ity lehilahy ity. Nilazany fa afaka mampiditra mpianatra ho mpitsara sy greffier ary avocat izy ka nakany vola ireo olona ireo. Efa tafakatra hatrany amin’ny 35 tapitrisa ny vola azony, saingy arirarirany fotsiny ireo olona nosolokiany. Taorian’izay dia nifindra monina teny Ivandry mihitsy ity mpitsara sandoka ity. Ny niafarany dia nitory ireo olona voasoloky ka rehefa nosavaina ny tranon’ilay mpitsara sandoka dia nahitana fitombokase fampiasan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany,niampy akanjona mpitsara. Naiditra vonjimaika eny am-ponja izy mandra-piandry ny fotoana hitsarana azy.

r.s

 

une120203

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton