| Antsiranana : Fanafihana sekoly, tovolahy « foroche » 7 voasambotra |
|
|
|
| Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00 |
|
Voasambotry ny fokonolona sy ny zandary ireo tovolahy fito saika hanafika ny sekoly CEG tao Ramena ny talata lasa teo tokony ho tamin’ny efatra ora antoandro. Araka ny lalana mifehy ity sekoly ity dia tsy azon’olona atao ny miditra amin’ny toeram-pianarana. Nahita io ny mpampianatra dia niantso ny talen’ny sekoly. Raha vao nantsoin’ny talen’ny sekoly izy ireo dia nandositra avy hatrany. Niantso ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ny talen’ny sekoly ary nanao antso tamin’ny lehiben’ny fokontany sy ny filohan’ny fikambanan’ny ray aman-dreny. Nandray andraikitra ny fokonolona tao Ramena mialoha ny nahatongavan’ny zandary, nanenjika ireo fito lahy ireo. 14 taona ny zandriny indrindra ary 25 ny zokiny indrindra. Araka ny famotorana nataon’ny zandary dia handeha hamonjy fahoriana no antondian’izy ireo tany Ramena, nefa ny razana dia efa niala tao an-tanana tamin’ny iray ora antoandro. Ireto tovolahy ireto ihany koa dia avy amin’ny andian-jatovo “foroche” ao amin’ny TOGO V. Dimy avy ao amin’ny fokontany Tanambao V, roa avy ao la Pierre Technique. Tamin’ny fanazavana nataon’ny commandant de compagnie, ny kapiteny Randrianasolo Lova no nahazoana fanazavana mahakasika izay. Nambarany koa fa voasokajy ao anatin’ny “groupe foroche” ireto andian-jatovo ireto. Tamin’ny famotorana natao io ihany no nahaizana fa ireto andian-jatovo fito ireto dia saika ao anatin’ny horonan-tsary (clip) manevateva, manao fihantsiana, miteny ratsy ny mpitondra fanjakana aty an-toerana, anisan’izany ny lehiben’ny faritra DIANA. Efa natao ny fikarohana azy ireo nanomboka ny volana desambra teo, izao vao hita ny ampahany. Ao anatin’io hira io no milaza fa “tsy ny Togo irery ihany no diso fa ny Tamabao ihany koa mba disoy”. Araka ny “circulaire interministeriel” laharana 608/MJ/MI/CIRC/11 tamin’ny 19 desambra 2011 dia ny lehiben’ny distrika no miandraikitra ny asan’ny mpanao famotorana amin’ny fampidirana am-ponja vonjimaika. Miteraka resabe mantsy io amin’izao fitokonan’ny mpiasan’ny fitsarana izao. Mitaintaina ny vahoaka amin’ny mety ho tohin’ny raharaha. Ny fanazavana azo ihany koa, ray aman-dreny iray ihany hatramin’izao no sahy nivoaka nanatitra sakafo tamin’ny zanany nanomboka tamin’io andro talata io hatramin’ny omaly. Hita mety ho leo ny fihetsiky ny zanany koa ny ray aman-dreny sasany fa tsy hita ny hatao. V.JCL |






