StValentin

Firavahana : Jiolahy misaron-tava nanafika “épicerie” PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00

Ny alatsinainy lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina dia notafihina andian-jiolahy mirongo basy ny mpivarotra iray tao Firavahana – Fenoarivobe. Miisa enina ireo mpanafika ka ny telo amin’izy ireo manao saron-tava. Nidiran’izy ireo an-keriny tao amin’ilay mpivarotra ka tratran’izy ireo tao ny mpivady tompon-trano miaraka amin’ny zanany kely. Tsy nisy noratrain’ireo mpanafika aloha ny tompon-trano saingy ny vola sy ny fanaka sarobidy tao an-trano no nalain’izy ireo. Nahatratra hatrany amin’ny 5 tapitrisa ny vola tao ka noraofin’ireo jiolahy avokoa. Mbola nalainy ihany koa ny finday miisa roa sy ny lecteur DVD tao an-trano. Taorian’izay dia nandositra avy hatrany ireo jiolahy ary mbola tsy hita hatramin’izao. Ny mpitandro filaminana any an-toerana no mandray ny fanadihadiana sy manao ny fikarohana.

r.s.

 

une120207

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton