StValentin

Antsirabe : Noelin’ny sembana PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00

Toy ny fanao isan-taona, ny 18 janoary 2012 no natokana nanatanterahana ny noelin’ny sembana teto Vakinankaratra.Ny Sœurs Trinitaires de Valencia Ambohipeno Antsirabe no nandray ny lanonana izay nokarakarain’ny fikambanana Fitiavana Vakinankaratra tarihin’Andriamatoa Randriambololona Sen.Olona manana fahasembanana ara-batana sy ara-tsaina ary sahirana ara-pivelomana miisa 800 avy eto amin’ny faritra Vakinankaratra no niara-niombom-bavaka tamin’ireo mpitondra fivavahana sy mpanao asa soa,niara-nisakafo ary nozaraina vary sy savony  miampy fitafiana sy vatomamy ary kilalao. « Fikambanana miezaka mitraka fa tsy voatery hangataka lava ny fikambanana Fitiavana » raha ny nambaran’ny tompon’andraikitra ary efa 13 taona izao no nijeren’izy ireo ny olona manana fahasembanana.Maro ireo malala-tanana nifarimbona tamin’ny fanatontosana ny noelin’ny sembana teto Vakinankaratra ity toy ny mpitondra isan-tsokajiny ao amin’ny fitondrana tetezamita sy ireo mpandraharaha vahiny sy teratany avy eto an-toerana.
LOVA

 

une120207

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton