StValentin

Tapatapany (19/01/2012) PDF Imprimer Envoyer
Jeudi, 19 Janvier 2012 00:00

# Raharaha Toliara. Mitohy hatrany ny fanolorana eo amin’ny fampanoavana sy ny mpitsara mpanao famotorana ireo pôlisy izay voarohirohy tamin’ny raharaha Toliara. Omaly dia mbola nisy vehivavy iray ofisie eo anivon’io vondrona io nohainoina tao. Fantatra koa fa nisy pôlisy iray hafa naiditra eny Antanimora momba ity raharaha ity ihany. Afakomaly izy io no naterina teny amin’ny fonja.

# Fanafihana Ankadifotsy. Nohainoina amin’ny maha vavolombelona azy fa tsy nosamborina akory ireo olona roa izay nampanantsoin’ny BC. Izany hoe vavolombelona ireo fa tsy tompon’antoka. Olona nipetraka teo amin’ny manodidina ihany ireo ka mba hahafahana mamantatra bebe kokoa ny zava-nitranga dia tsy maintsy teo aloha no niainga ny fanadihadiana.

# Satroboninahitra. Nangina tanteraka ny fanadihadiana. Toa lasa sarona manoloana ny zava-nitranga izay mihazakazaka be teto amin’ny firenena. Isan’izany ny raharaha Toliara sy ny fanafihan-jiolahy maro. Milaza ihany ny tompon’andraikitra fa mbola mitohy ny fanadihadiana. Efa ho iray volana anefa izay mbola tsy nahitana soritra mihitsy ny mety hahitàna azy. Tsiahivina fa 100 tapitrisa ariary no tambiny omena izay mahita azy.

# Analamahitsy. Tratra tao anaty fiara mihitsy ilay mpangalatra fiara. Teo am-pikononkononana ny haka izany izy no taitra ny tompon-trano. Avy hatrany dia nohodidinina tao an-tokontany nisy ny fiara. Niara- nientana ny fokonolona ka saika afaka hatramin’ny ain’ity mpangalatra noho ny daroka nanjo azy.

D.R

 

une120207

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton