| Fanafihana ny Kalidas : Naman'i Marianot 2 voasambotra, mpitandro filaminana ny iray |
|
|
|
| Jeudi, 29 Juillet 2010 00:00 |
|
Fanafihana fivarotana firavaka tany Toamasina, fanafihana magazay iray tetsy Ambalavao Isotry, izany no itanana ireto jiolahy roa voasambotry ny mpitandro filaminana tamin'ny faha-17 jolay lasa teo. Araka ny loharanom-baovao, naman'i Marianot izy ireo, jiolahy karohin'ny mpitandro filaminana fatratra tokoa amin'izao fotoana izao. Marihina ihany koa fa mpitandro filaminana ny iray amin'ireto jiolahy voasambotra ireto. Raha tsiahivina dia nisy nanafika ny trano fivarotana firavaka (bijouterie Kalidas) tany Toamasina tamin'ny faha 10 jolay lasa teo. Firavaka maro no lasan'ireo mpandroba tamin'izay. Fiara 4X4 iray sy basy kalakchnikov 04 no nampiasain'izy ireo tamin'io andro io. Voalaza fa mahatratra hatrany amin'ny folo ny isan'ireto mpanafika ireto. Nandeha avy hatrany ny fikarohana ireo olon-dratsy. Nahitana vokany izany tamin'ny faha-17 jolay. Voasambotra teto an-drenivohitra ny roa tamin'izy ireo ary tamin'izay no nahalalana fa mpitandro filaminana ny iray. Ny zandary misahana ny heloka bevava etsy Fiadanana no nisahana izany. Rehefa na tao ny famotorana azy roalahy dia nilaza izy ireo fa tany Toamasina tokoa tamin'io fotoana io. Nandà mafy kosa anefa ry zalahy fa tsy izy ireo no nanao ilay fanafihana mitam-piadiana teny amin'ny Magasin R teny Ambalavao Isotry tamin'ny 17 jona. Mbola mitohy hatrany moa ny fikarohana ireo tsy mbola tratra nahavanona ireny fanafihana mitam-piadiana ireny. Omaly no natolotra ny mpitsara mpanao famotorana tetsy Anosy izy roalahy voarohirohy amin'izao zavatra izao. r.s.
|










