| Fanafihana tany Ambanitsena : Olona 13 voasambotra |
|
|
|
| Jeudi, 29 Juillet 2010 00:00 |
|
Nahitana vokany ny fanadihadiana sy fikarohana nataon'ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Carion mikasika ilay fanafihana mpivarotra tao Ambanitsena sy tokantrano iray tao Soavina, any Manjakandriana, tamin'ny faha-24 jolay lasa teo. Olona 13 mianadahy no voasambotra. Voarohirohy tamin'ireo fandrobana ireo ireto olona ireto. Ao ny mpanatanteraka ny fanafihana sy ny mpiray tetika ary ny mpitahiry halatra. Toa tsy dia nanano sarotra ny fanarahana azy ireo satria nisy dian-kiraro hita teny an-toerana. Tamin'ny andron'ny fandrobana dia latsaka ihany koa ny fitaovana maromaro toy ny barre à pince sy antsilava. Tena nanamora ny asan'ny mpitandro filaminana tokoa ireo zavatra ireo. Avy amin'izany no nahazoana nisambotra ireo olona marobe ireo. Maro ny entana lasan'izy ireo tamin'io fangalarana io. Efa misy hita ireo entana ireo. Omaly faha-28 jolay no natolotra ny fampanoavana etsy Anosy izy 13 mianadahy ireto. r.s.
|










