| Ankadikely-Tobin’ny Traboina : Fofona hafahafa manempotra sy mahatorana |
|
|
|
| Mercredi, 22 Février 2012 00:00 |
|
Tranga hafahafa no nisy teny amin’ny toerana nanatobiana ireo traboina tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Giovanna. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana, tamin’ny alahady alina tokony ho tany tamin’ny 10 ora tany ho any, nisy fofona hafahafa henon’izy ireo. Nanomboka tao amin’ny trano lay iray izany. Ankizy vavy eo amin’ny 14 taona eo no voa voalohany. Nilaza tamin’ny reniny izy fa fanina ary rehefa avy eo nandoa. Nivoaka haka rano ilay ramatoa reniny dia tratran’ilay zavatra ihany koa. Efatra ry zareo no tao anaty trano lay ary samy sempotra avokoa. Dia nifindra tamina trano lay hafa indray ny fahavoazana. Samy nikoropaka ny rehetra ary niezaka niantso ny kartie mobily izay teny amin’ny biraom-pokontany. Raha vao tonga teny koa anefa io dia fanina sy ohatra ny safotra izany. Tsy fantatra mihitsy hatramin’izao, inona ilay fofona ratsy. Tamin’ny 10 ora alina ka hatramin’ny 2 ora maraina no nihanaka teny ilay izy, hoy ihany ny vaovao voaray. Nanomboka io alahady io dia tsy misy mety mipetraka ao amin’io toerana io intsony ny olona. Tamin’izany, araka ny vaovao ihany, dia nahatratra hatrany amin’ny 80 ny isan’ireo traboina noraisina tao. r.s. |









