| Ambohibao : Taxi-be nandona fiara efatra : 12 no naratra |
|
|
|
| Mercredi, 22 Février 2012 00:00 |
|
Tsy tafajanona intsony ity taxi-be rehefa namono motera tamin’ny fidinanana mba hitsitsiana lasantsy. Vokatr’izany dia nifatratra tany amin’ny fiara maromaro talohan’ny nivarinany tany an-kady. Omaly manodidina ny mitataovovonana no nisehoan’izany tetsy Ambohibao. Vokatr’izany tsy fitandremana izany dia nahatratra 12 ny olona naratra ka mpandeha tao amin’ilay taxi-be no maro tamin’izany. Telo no voalaza fa tena voa mafy, nisy zazakely iray tamin’ireo. Naratra be ihany koa ny resevera. Fiara efatra hafa no simba rehefa voadonan’ilay taxi-be. Nisy taxi-be mitovy aminy ihany ary nisy ihany koa ny fiara kely. Fahatapahan’ny « frein » no voalaza fa nahatonga ny loza. Saingy raha ny fiheverena azy dia tsy fitandremana vokatry ny famonoana motera. Miankina be amin’ny rivoatra avy amin’ny motera mantsy ny « frei nage hydraulique » ka rehefa tsy mandeha ny motera dia tsy misy ihany koa ny rivotra mandeha any aminy, singa iray mampiasa ny « frein ». Azo heverina araka izany fa rehefa novonoina ny motera dia tsy nihinana intsony ny « frein » ka niteraka ny loza. Izany anefa dia farafahakeliny tokony ho fantatry ny mpamily, indrindra fa ireny an’ny fiara fitateram-bahoaka toy ny taxi-be ireny. Ain’olona no eo am-pelatananan’izy ireo kanefa vokatry ny fitiavan-kely amin’ny fitsitsiana lasantsy amin’ny lalana fohifohy dia maro ny naratra, betsaka ny simba ary misy ihany koa ny mety hitondra takaitra. D.R |









