| Nosy varika : Olona iray trano notetehin’ny jiolahy tamin’ny antsy |
|
|
|
| Mercredi, 22 Février 2012 00:00 |
|
Efa tena feno habibiana mihitsy amin’izao fotoana izao ny mpandroba sy ny jiolahy isan-karazany. Tamin’ny alatsinainy alina tokony ho tany amin’ny 9 ora tany ho any, tonga nandroba tao amina tokantrano iray ny andian-jiolahy voalaza fa miisa telo. Tao amin’ny tanana atao hoe Mangoana, fokontany Ampasinambo, any Nosy Varika. Nanao be fiavy ry zalahy ireo ary rehefa tafiditra dia nihetraketraka. Ny vaovao voaray avy tamin’Atoa Sylveram mpikambana ao ami’nny CT no nahalalana fa raha vao tafiditra ireo olon-dratsy dia notetehin’izy ireo tamin’ny antsy izay olona hitany tao. Nisy ny voa tamin’ny lohany, ny tanany ny tongony sy ny faritra hafa. Rehefa izany, nalainy ny vola mintetina hatrany amin’ny 12 tapitrisa ariary dia lasa izy ireo. Samy mbola tsy nisy maty anefa ireo voakapa antsy ary nisy afaka niantso vonjy tamin’ny manodidina. Ny nahamaika teo dia ny nitondra azy ireo tany amin’ny hopitaly Ampasinambo. Efa natao avokoa ny fitsaboana tokony ho vita tany an-toerana. Natao ny antso avo taty amin’ny fahefana foibe ary dia miandry ny hitondrana ireo naratra faran’izay haingana ho aty amin’ny hopitaly an-drenivohitra. r.s. |









