| Ambatobe : Lehilahy iray voasambotry ny zandary |
|
|
|
| Mercredi, 22 Février 2012 00:00 |
|
Tamin’ny alatsinainy hariva, nahatsikaritra ny mponina teny amin’ny manodidina an’Ambatobe, amin’iny teorana misy villa tsara tarehy iny, fa misy andian’olona nihaodihaody. Niisa efatra izy ireo ka vehivavy ny iray, araka ny vaovao voaray. Nampiahiahy ny mponina izany koa dia nilazana ny zandary teny an-toerana. Rehefa nojerena sy nantonina ireto olona ireto dia mahimahina ary samy rifatra nandositra. Tsy fantatra mao ny nahalalan’ny mpitandro filaminana fa ny roa tamin’izy ireo toa hoe nitondra basy. Ireo no nifanenjehana. Rehefa elaela, tratra ny iray. Nosavana izy nefa tsy nahitana fitaovam-piadiana tany aminy. Nilaza kosa ny vaovao fa any amin’ilay iray afaka nitsoka ny basy. Amin’izao fotoana izao dia tazonina eny amin’ny biraon’ny zandary eny an-toerana io tratra io. Mirongatra ny asan-jiolahy amin’izao fotoana izao ka raha vao mahita zavatra na fihetsika hafahafa fotsiny ny olona dia efa samy mailo avokoa. r.s. |









