| Moramanga : Nahazo fanampiana ireo traboina |
|
|
|
| Mercredi, 22 Février 2012 00:00 |
|
Ny mambran’ny Kongresin’ny Tetezamita, Randriamamizafy, dia nanome fanampiana an’ireo traboina tao amin’ny faritr’i Moramanga, ny herinandro lasa teo. Tao amin’ny kaominina Andasibe izay nisy traboina tafakatra hatrany amin’ny 3756 dia nanome vary, sira ary savony ity mpikambana ao amin’ny Kongresy ity. Ho an’ny Fokontany Ampangalanisary, 500 ny traboina, nahazo vary sy savony ihany koa. Tsy nohadinoin-dRandriamamizafy koa ny Lycée FJKM Moramanga izay nisy trano lehibe telo rava ka notolorany fantsika fanitso. Torak’izany koa ny EPP Moramanga ambony, izay niala tafo, nomeny tafo fanitso. Dominique R. |









