Ampitatafika - Fanafihana villa roa : Maty voatifitry ny tompon-trano ny jiolahy iray PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00

Rehefa tsy nahomby ny fandrobana tao amin’ny trano iray, nifindra toerana ireo mpangalatra.

Nirefodrefotra ny basy teny amin’ny faritra Ampitatafika tamin’ny alin’ny alarobia teo. Jiolahy iray no fantatra fa maty voakatry ny tifitra nataon’ny tompon-trano azy. Tsy nijanona teo anefa ny raharaha, nifindra toerana indray ry zalahy ary dia nahazo entana be dia be.

Tokony ho tamin’ny 1 ora sy sasany maraina tamin’izay. Andian-jiolahy iray voalaza fa nitondra basy poleta vita gasy no indray tonga teny Ambodirano Avaratra. Villa iray no lasibatr’izy ireo. Nihanika tamboho ireo olon-dratsy. Efa henon’ny tompon-trano anefa izy ireo tamin’izay. Vao nigadona teo antokotany, avy hatrany dia nitifitra ilay tao an-trano. Avy hatrany dia nitolefika ilay izy ary voalaza fa maty teo no ho eo. Namaly tifitra ireo namany ary tamin’ny farany, lasa nanao tari-dositra. Rehefa nojerena ilay lavo dia mbola hita tany aminy ny karapanondrony sy ny adiresiny izay tsy dia lavitra loatra ny trano norobainy.

Tsy nijanona teo anefa ireo bandy. Voalaza fa efatra izy ireo. Nifindra toerana indray ry zalahy nankeny Ambohimangidy-Ampitatafika. Novakiany ny varavaran’ilay villa faharoa ary teo izy no niditra. Raiki-tahotra ny tao an-trano. Vetivety foana dia voahangon’ireo mpangalatra ny entana izay hitany tao toy ny fankatsary, ordinatera, peratra volamena iray, fahitalavitra, finday telo, karatra fakana vola any amin’ny banky ary vola mitentina 500 000  ariary sy 1700 euros. Rehefa azon-dry zalahy ireo zavatra marobe ireo dia lasa nandeha izy ireo.

Henon’ny manodidina ny kotaba ary nisy ny nampandre haingana ny mpitandro filaminana. Tsy dia ela loatra dia tonga ny zandary ary nandeha nanaraka saingy tsy tratra intsony ireo olon-dratsy fa efa lasa lavitra nidify tamin’ireo lalan-kely maro dia maro eny an-toerana ireny. Efa misokatra ny fanadihadiana ka ny zandary avy ao amin’ny “poste fixe” ao Faliarivo Ampitatafika no misahana izany. Milaza ry zareo fa efa misy vaovao marim-pototra azony mikasika ireo olon-dratsy. Hatramin’izao anefa aloha, tsy mbola misy ny fisamborana nataony.

Aina R.

 

une120222

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton