| Antsiranana : Foroche 29 no voasambotra, iray no vehivavy |
|
|
|
| Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00 |
|
Avy amin’ny fokontany 6 amin’ny fokontany 24 misy ato amin’ny kaominin’i Diégo I no misy foiben’ireo ankizy na zaza mania ireo. Omaly dia nahatratra 28 ireo andian-jatovo voasambotry ny zandry teto Antsiranana. Fito andro no nanaovana ny fikarohana izay niainga tamin’ireo fito izay voasambotra tamin’ny fanafihana ny CEG tany Ramena, ny talata 17 janoary lasa teo. Izy fito mirahalahy ireo indray no nanambara ireo namany. Avy amin’ny sokajim-pianakaviana ahoana no misy azy ireo. Fianakaviana misedra fahasahiranana amin’ny tokantrano ny ankamaroany. 27 no tsy misy ray mitaiza, vokatry ny fisarahan’ny ray sy reny. Tafiditra amin’izay koa ny mipetraka amin’ny bebeny, na anabavin’ny papany. Manoloana izay dia tsy arak’izy ireo mihitsy ny fanabeazana ny zanany satria sady mitady vola manokana no mamelona ny zaza maromaro. Ny fisarahan’ny ray aman-dreny no tena nampisy ny “FOROCHE”. Araka ny fanazavana nomen’ireo avy amin’ny zandary ihany fa maro amin’ireo Reny ireo no manaiky fa maditra ny zanany, nefa amin’ny maha reny azy dia tsy maintsy manaraka ny zanany ihany. Tsy handefitra ny mpitandro ny filaminana, hoy ny komandin’ny zandarimariam-pirenena, fa tsy maintsy hamongotra hatramin’ny farany ireo andianjatovo mpampihorohoro ireo. Naka mpisolo vava ny Togo. Amin’izao dia mpisolo vava roa no miaro ireo ankizy avy amin’ny ekipan’ny Togo ireo. Nahagaga ny olona nanodidina ny tsy fankasitrahan’ireo mpisolo vavao ireo ny hakan’ny mpanao gazety sary ireo ankizy ireo. Nanambara izy fa aiza ny zon’olombelona amin’izany. Fa tsy mahasakana ny asa ataon’ny mpitandro ny filaminana, hoy ny lieuntenant colonel Antoine, ny fakana mpisolo vava amin’ny raharaha toy intony ary tsy mahagaga izany. Fa samy olona tokony hanao ny asany araka ny fiheverany azy. Tamin’ny vaovao nomen’ny zandary tamin’ny fanadihadiana nataony tamin’ireo tanora ireo no nahalalana fa misy efa in-4, in-2 niditra am-ponja izy ireo. Mbola tsy fantatra ny mety hiafarany satria maro ny fangatahana azon’ireo mpitondra ny hamoahana ny ankizy sasany. Hentitra amin’izay ny mpitondra fa ny fitsarana no hany tompon’andraikitra voakasika mahafantatra izay mety havoaka na midoboka aorian’ny fanadihadiana. V.JCL |









