Antsiranana : Raim-pianakaviana maty nananton-tena PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00

Ny 24 janoary lasa teo dia hita maty nihantona tao an-tranony tao Lazaret – Antsiranana, ny lehilahy iray, 28 taona. Araka ny fahitan’ny dokotera sy ny mpitandro filaminana nanao ny fizahana dia maty namono tena izy. Toy izao ny zava-nitranga tamin’io andro io. Tonga nanatona ny commandant de Brigade ao amin’ny zandarimaria ao an-toerana ny vehivavy iray, ary nilaza fa niady izy mivady ka nopotehin’ilay lehilahy avokoa ny entana rehetra tao an-trano ka mila vonjy izy. Nandefa mpitandro filaminana tany an-toerana hijery ny tena zava-misy marina ny tomponandraikitra. Rehefa tonga tany an-toerana anefa ireo zandary dia hita fa nihidy be ny trano ary mandeha mafy dia mafy ny radio. Manoloana izany dia voatery nopitsohana ny hidin-trano. Rehefa tafiditra tao ireo mpitandro filaminana dia nahita ilay raim-pianakaviana nihantona teo amin’ny “chevron” ary mifatotra “fil métallique” ny tendany. Nahatratra hatrany amin’ny 150 metatra ity tariby nampiasain’ilay raim-pianakaviana namonoany tena ity. Noezahina novonjena izy ary nantsoina ihany koa ny mpitsabo saingy tsy tana ny ain’ilay lehilahy. Efa natolotra ny fianakaviany ny razana ary efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao, ka ny brigade ao an-toerana no mandray an-tanana ny raharaha.

r.s.

 

une120222

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton