| Ikongo : Taolam-paty 3 gony sarona, olona 7 voasambotra |
|
|
|
| Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00 |
|
Olona 7, izay voarohirohy amin’ny halatra taolam-paty, no voasambotry ny zandary avy ao amin’ny compagnie ao Manakara omaly, ary nahatratrarana taolan-dava 3 gony tany amin’izy ireo. Naharay vaovao avy tamina olon-tsotra ny mpitandro filaminana fa misy andian’olona tonga tao amina tokantrano iray ary nilaza ireo olona ireo fa mitady mpanam-bola izy ireo hividy taolam-paty. Noho ny tahotra anefa dia nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana ireto olona ireto. Nidina tany an-toerana ny zandary avy ao amin’ny compagnie Manakara sy ny avy ao amin’ny groupement Vatovavy Fito Vinagny ka nisambotra ireo olona ireo. Olona fito izay voarohirohy amin’ity raharaha ity no voasambotra ary nahatratrarana taolan-dava 3 gony tany amin’izy ireo. r.s. |









