Avaradoha : Lehilahy maty nianjera tao amin’ny hantsana PDF Imprimer Envoyer
Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00

Raim-pianakaviana, manodidina ny 50 taona eo no namoy ny ainy raha nianjera tao amina hantsana tetsy Avaradoha (ao ambadiky ny hopitaly miaramila) afak’omaly alina. Voalaza fa avy niasa izy ary handeha hamonjy fodiana izao niharan-doza izao. Sarotsaraotra ihany ny lalana midina ao amin’ilay tanàna ao ambadiky ny hopitaly io ka izay no nampianjera ity lehilahy ity. Vokatry ny fianjerany sy ny ratra mafy nahazo azy moa dia tsy tana ny ainy. Nomarihin’ny mpitsabo nanao ny fizahana fa tsy nikasika zava-pisotro mahamamo akory ity lehilahy ity tamin’ny fotoana nianjerany.

r.s.

 

une120222

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton