| Mandritsara : Nitokona ny mpampianatra rehetra |
|
|
|
| Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00 |
|
Tsy nety nampianatra ary nidina an-dalambe ny mpampianatra rehetra, na miankina na tsy miankina amin’ny Fanjakana, tao amin’ny tananan’i Mandritsara, ny 24 janoary lasa teo. Ny antony dia noho ny fitakiana ny fampiharana ny lalàna noho ny nafitsoky ny tovolahy iray – mpianatra ao amin’ny kilasy faha-9 – izay namely totohondry ny talen-tsekoly. Nivondrona tao amin’ny kianja filalaovam-baolina ireo mpitokona ary nisy ny kabary nifandimbiasana. Tapaka tamin’izany fa tsy hitohy ny fampianarana raha tsy voasazy araka ny lalana io tovolahy io. Niditra an-tsehatra ihany koa ny mpitandro filaminana nandamina ny raharaha ka tapaka fa hatao famotorana ilay zazalahy ary hatolotra ny Fitsarana noho ny fandratrana olona niniana izay nataony. Nanentana ny raiamandrenin’ny mpianatra ihany koa ireo nandray fitenenana nandritra ny kabary mba hananatra ny ankizy tsy hanao fihetsika mahery tahaka ny nataon’ity tovolahy ity ary mba hanaja ny mpanabe. r.s. |









