| Ambanja : Tovovavy naolana dia novonoina |
|
|
|
| Vendredi, 27 Janvier 2012 00:00 |
|
Tovovavy 22 taona no hita faty tao amin’ny reniranon’i Sambirano ny 22 janoary lasa teo, rehefa tsy hitan’ny fianakaviany nandritra ny fotoana maromaro. Nidina teny an-toerana nanao ny fizahana ifotony ny razana ny dokotera sy ny mpitandro filaminana tany an-toerana ka hita fa maty novonoina ity zazavavy ity, ary talohan’ny namonoana azy dia naolana izy. Hita ihany koa nandritra ny fizahana natao fa efa teo amin’ny telo andro teo no nahafatesan’ilay zazavavy. Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny mpitandro filaminana, ka amin’izao fotoana izao dia olona telo no efa voasambotra ary atao famotorana. Voalaza fa mbola misy olona hafa ahiahiana ka mbola mitohy ny fikarohana azy ireo. Aina R. |









