| Tanjombato : Valo lahy tratra nangalatra fil |
|
|
|
| Mardi, 07 Février 2012 00:00 |
|
Lehilahy valo mpiasa amina orinasa manakaiky ny orinasa « first immobilier » ao anatin’ny zone Galilée eny Tanjombato no tratran’ny agent de securité ao amin’io zone io ny sabotsy 04 febroary 2012 tokony ho tamin’ny 04 ora teo ho eo, ka ireto farany no nandeha niantso ny polisy avy ao amin’ny commissariat central ao Tanjombato tokony ho teo amin’ny 06 ora sy sasany teo ho eo. « Coupon fil électrique haute tension en cuivre » no tratra tamin’izany ka saika hamidy teny Ankadimbahoaka ireo « cable electrique » ireo raha tafavoaka tao. Nanamarika moa ny avy ao amin’ny orinasa First immobilier, fa 200.000 ariary no vidin’ny 1 metatra ary efa imbetsaka no nisy nangalatra ny tao fa izao vao tratra ary mitentina eo amin’ny 10.000.000 ariary ny tentim-bidin’ny entana very tao aminy ireo. Rehefa nofotorana moa izy ireo dia niaiky ny heloka nataony satria asa hafa no nampanaovin’ny mpampiasa azy ireo dia ny fangadiana « canal » fa rehefa nahita an’ireo « fil » ireo dia nanapaka avy hatrany ary nikasa an’izany hivarotra azy 6000 ariary. Natolotra ny fitsarana omaly izy valolahy, ka 35 taona ny zokiny indrindra ary 20 taona ny zandriny amin’izy ireo. r.s. |









