| Ankasina : Karana nahafaty zaza tamin’ny fiara, nandositra |
|
|
|
| Mardi, 07 Février 2012 00:00 |
|
Nitrangana lozam-pifamoivoizana tetsy Ankasina afakomaly, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany atoandro tany ho any. Fiara iray, marika Hyundai izay nentina teratany karana no nahavoadona ankizilahikely iray, tokony ho 10 taona eo. Tsy nijanona anefa ilay fiara nandona ilay zazalahy raha tsy nifanenjehan’ny fokonolona ka efa lasa lavitra vao tratra. Nentina niverina teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ilay fiara ary efa saika niharan’ny fitsaram-bahoaka mihitsy aza ilay mpamily, raha tsy ny fianakavian’ilay zaza voadona, izay mipetraka eo akaiky eo ihany, no nandrara izany. Tsy maty teo noho eo anefa ilay zaza, na dia naratra mafy aza, fa mbola tonga teny amin’ny hopitaly ary notsaboina, saingy, tamin’ny 7 ora hariva tany ho any dia tapitra ny ainy. Voalaza ihany koa fa notazonina teny amin’ny mpitandro filaminana ilay mpamily, saingy rehefa nohamarinina dia tsy hita tao akory. Aina R. |









