Tsiroanomandidy : Adala niditra an-tranon’olona maty voatifitra PDF Imprimer Envoyer
Mardi, 07 Février 2012 00:00

Ny alin’ny 4 febroary lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany alina dia nisy olona niditra an-keriny tao amina tokantrano iray tao Antanambaokely – Soanierana , Tsiroanomandidy. Niatso vonjy avy hatrany ny tompon-trano ka nivoaka daholo ny fokonolona nanenjika ity lehilahy ity. Sendra nisy miaramila avy ao amin’ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) natory tao amin’ilay tanàna tamin’io fotoana io ka avy hatrany dia nivoaka izy ary nitifitra ilay lehilahy nifanenjehan’ny olona. Maty teo noho eo ity lehilahy ity rehefa voan’ny bala. Rehefa natao anefa ny fizahana akaiky ilay razana dia fantatra fa lehilahy adala ao an-tanana ihany izy ity (32 taona), saingy tsy fantatra izay mba heviny tamin’ity niditra an-keriny tao an-tranon’olona. Tonga nanao ny fizahana ny razana ny dokotera sy ny mpitandro filaminana any an-toerana, ka iretsy farany no mandray an-tanana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

Aina R.

 

une120516

vision

politique

economie

socit

culture

sport

faitdivs

necrobutton