| Mahajanga : Morafeno, nirehitra ny trano lehilahy 2 maty kila tao anatiny |
|
|
|
| Mardi, 07 Février 2012 00:00 |
|
Tsy nisy azo noraisina avokoa ireo entana rehetra tao amin’ity trano may tetsy amin’ny fokontany Morafeno ity ny alahady 05 febroary maraina teo. Tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany no nanomboka ny afo, izay tsy voafaritra mazava tsara hatreto izay nipoirany. Misy ny milaza fa vokatry ny gaz tao an-trano, ao kosa no milaza ny ankoatra izay. Fotoana fohy taorian’io no tonga ny mpamonjy voina saingy tsy afaka nanatanteraka ny asany araka ny tokony ho izy noho ny hateren’ny lalana. Na izany anefa, voafehy ihany ny afo tao an-toerana. Nandritra ity voina niseho ity, raim-pianakaviana 2 no fantatra fa may tao anatin’ilay trano. Ny iray antsoina hoe Rakotonirina William na zoky Willy izay voalaza fa marary tsy afa-mihetsika eo ambony fandriana, ny iray kosa antsoina hoe Ramonjason Toussin fantatry ny maro hoe maître Toussin izay mpanazatra ireo mpilalao baolina kitra ao amin’ny kaominina no mpilalao baolina tao amin’ny ekipan’ny Sotema teo aloha. Raha ny fantatra, saika hamonjy ilay marary tao an-trano no anton-dian’ilay farany, saingy noho ny firehetan’ilay afo mafy loatra no nahatavela azy tao. Teto moa taorian’ny fikarakarana rehetra no nentina avy hatrany teny amin’ny jeunesse et sport ny razana ka teny no niandrasan’ny fianakaviana azy. Ny maraina teo ihany dia efa tonga teny ireo manampahefana eto an-toerana nijery ny zava-nisy ary nanolotra fanampiana ho an’ny fianakaviana. Marihina fa mba ho fanampiana ny fianakaviana mana-manjo dia nisy ny fametrahana vata mangarahara iray teto amin’ny biraom-paritry ny fanatanjahantena ho fitia tsy mba hetra. Tantely Vandriam |









